Epistola Faharoan'i Md. Joany

Toko voalohany

4 Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin'ny Ray.

5 Ary ankehitriny mihanta aminao aho, tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin'ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika. 6 Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin'ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin'ny fitiavana. 7 Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin'izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesoa-Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.

8 Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka hianareo. 9 Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin'ny fampianaran'ny Kristy dia tsy manana an'Andriamanitra; fa izay mitoetra amin'ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0648